GLOBO VISION DEVELOPPEMENT

Manofana ny tanora mba ho lasa mpandraharaha


  • Alatsinainy 22 Janoary 2024

Tsy ny hanofana ny tanora hiasa amina orinasa na hiasa aman’olona

fotsiny fa ny hanofana azy ireny ho lasa mpandraharaha ka ho afaka hanangana orinasa ho an’ny tenany ho tanjon’ny Globo vision developpement Madagascar tarihin’ny filoha tale jeneraliny Rasolofonoroniaina Julia Mickaelle. Nisy ny dinika niarahany tamin’ireo tanora marobe 18 ka hatramin’ny 30 taona miisa 50 tetsy Anosizato Andrefana misy ny foiben-toerany ny sabotsy teo ka ankoatra ny fanoroana azy ireo hahay hanaja ny asany sy ho tia fahamarinana dia nampianarina azy ireo manokana ihany koa ny resaka fitondrantena toy ny fomba fiteny rehefa eny anivon’ny asa, ny fomba fitafy, ny fihetsika tokony hatao….Tena nahaliana ireo tanora marobe tokoa ity dinika nataon’ny filoha tale jeneralin’ny Globo Vision ity. Ho azy ireo mantsy dia tsy voavidy vola izany na dia ny fanovana ny toe-tsaina fotsiny ihany aza hahafahana mandresy ny fahantrana sy ny tsy fananan’asa mahazo ny tanora eto Madagasikara. Tsiahivina moa fa mbola anisan’ny olan’ny tanora eto amintsika ny fifidifidianana asa. Toraka izany koa ny fakana tahaka hatrany izay zavatra efa hataon’ny hafa. Tsy lalana mitondra mankany amin’ny fandresena intsony izany ho an’ny Globo Vision. Hampianarina hahay hitrandraka ireo mbola tsy misy mpanao ihany koa mantsy ireo tanora ireo ka anisan’ireny ny fitrandrahana ny resaka voajanahary. Nomarihin’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Globo noho izany fa mpiasa matihanina, manana ny maha-izy azy no havoakan’izy ireo no sady ampy traikefa. Miantso ireo orinasa lehibe vonona ny hiara-kiasa aminy araka izany izy ireo hahafahana miady amin’ny tsy fananan’asa mahazo ny tanora eto amintsika, izay miantoka ny ho avin’ny firenena.
Pati
Legende : Tanora marobe tahaka izao no tonga nanatrika ilay fiofanana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT