Toekarena

Gender Links Mampiroborobo ny miralenta eny ambanivohitra


  • Alarobia 30 Mey 2018

Mbola vao 21 % monja ireo vehivavy tompon’andraikitra eto amin’ny firenena ankehitriny raha 50 % no tanjona napetrak’ireo mpiara-miombon’antoka any ivelany hahafahana mampiroborobo ny miralenta eto amintsika.

Miezaka ho amin’izany hatrany ny  Gender Links, tarihin-dRtoa Alphine Papisy ka  jereny manokana  ny eny anivon’ny tontolo ambanivohitra. Mpizaika avy amina kaominina 67 isa manerana ny Nosy no tonga nanatrika ilay fihaonambe andiany fahenina karakarainy  eto an-drenivohitra, omaly. Misy mpizaika hatrany amin’ny 121 isa ao ka ny 89 isa amin’ireo lehilahy ary vehivavy kosa ny 32 ambiny. Tanjona ny hahafahan’ireo mpizaika mampahafantatra ny asa tsara vitany momba ny miralenta sy ny fampandrosoana, notanterahiny tany amin’ny kaominina nisy azy avy ka amin’ny alalan’ny fifaninanana no hanehoany azy. Mizara efatra mazava ny hetsika ka misy ny sokajy manokana natokana ho an’ny kaominina. Misy ihany koa ny natokana ho an’ny mpitantana mavitrika, ny  vehivavy mpandraharaha ary ny tetikasa fampandrosoana momba ny tontolon’ny fahasalamana, ny fampianarana, ny fiovan’ny toetr’andro ary ny fitantanana. Anio hariva no hanolorana ny mari-pankasitrahana ho an’ireo izay mendrika indrindra.

 

 

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT