GEFP-Vondron’ny orinasa afak’haba

Tsy naloan’ny Fanjakana ny volan’izy ireo 71 miliara Ar


  • Alarobia 20 Desambra 2023

Lasibatra hatrany ireo mpisehatra ara-toekarena eto Madagasikara.

Mahatratra 71 miliara ny volan’ny orinasa tsy naloan’ny Fanjakana tao anatin’ny 15 volana, raha ny fanazavana nataon’ny GEFP (Groupement des Entreprises Franches et Partenaires) na ny Vondron’ny orinasa afak’haba ny andron’ny omaly. Anisan’ny anton’io ny tsy famerenana ny TVA (Taxe sur la valeur ajoutée), raha ny fanazavan’ny Filohan’ny GEFP teo aloha Atoa Herilanto Rakotoarison. Raha ho an’ny GEFP manokana dia mahatratra 110 eo ny mpkambana, ary efa betsaka ny mpikambana mety hiditra amin’ny fitokonana, raha ny fanazavana. Efa hatrany amin’ny 2021 no tokony hojerena manokana satria betsaka ny ambana, toy ny tsy fahafahana manondrana noho izay olana izay, raha ny fanamarihana. « Tery ben y lafiny ara-bola, tokony jerena akaiky io TVA io, tokony jerena ihany koa ny lafiny sosialy», hoy Rtoa Beatriche Chan Filohan’ny GEFP vaovao. Ankoatra ny olana amin’ny fahatapahan-jiro lavereny, izay tsy mbola ahitan’ny mpitondra fanjakana vahaolana mandrak’androany, dia mbola lasibatra amin’ny tsy fandoavan’ny Fanjakana ny vola tokony hiverina aminy ireo orinasa afak’haba. Ny orinasa afak’haba izay fa ireo vondrona hafa tahaka ny sehatry ny solika ihany koa dia mety ho misy tranga tahaka izao, izay any amin’ny vahoaka no mety hiantraikany avy eo.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT