Toekarena

Gédéon Rajaonson “Tokony hisy modely mazava ny fampandrosoana ara-toekarena”


  • Talata 30 Jolay 2019

Miezaka mametraka ny modely ara-toekarena (modèle économique) ny mpitondra any amin’ny firenena rehetra hatraty amin’ny tany an-dalam-pandrosoana. Misy aza mangalatahaka fotsiny izao ary matetika maro no milaza fa ny any amin’ny firenena tandrefana no tsara.

 

 

 

Mazàna anefa izy ireny no tsy mifanaraka amin’ny toe-draharaha misy marina sy ny vinam-pampandrosoana azo tanterahina. Raha ny eto Madagasikara izay sokajiana ho firenena mahantra dia tsy tena mazava ary tsy hita taratra izay tena modely ara-toekarena ampiharina, hoy i Gédéon Rajaonson. Miteraka tsy fahombiazana izany satria tsy mazava ny lalan-kaleha. Indraindray aza dia teren-ko masaka tahaka ny voalobo-jaza fotsiny ny fandraharahana sy ny politikam-pampandrosoana atao kanefa tsy mety amin’ilay firenena. Nanambara ny tenany fa ny fahaizana mitrandraka ny harena rehetra misy ara-tsaina (capital humain), ankibon’ny tany, an-dranomasina eo amin’ilay firenena ihany no hampandroso azy. Mbola nohamafisiny hatrany ny maha zava-dehibe ny fampivoarana ny sehatra fanabeazana eto Madagasikara mba hifehezana izany. Maro aza ireo mpianatra Malagasy mandalina toekarena saingy sarotra amin’izy ireo ny manakatra sy mahazo ny modely ara-toekarena misy sy tokony hampiharina eto. Mila mamakafaka tsara ny Malagasy, indrindra ireo tanora hoavin’ny firenena mba tsy ho variana amin’ny teoria be fahatany kanefa tsy mahafantatra ny modely izay hamotika na hanangana indray ny firenena.

Tsirinasolo

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT