Toekarena

Gédéon Rajaonson "Mila ezaka be ny fanarenana ny toekarena"


  • Sabotsy 23 Mey 2020

Lehibe ny fiantraikan’ny valan’aretina eo amin’ny fiaraha-monina sy ny toekarena manontolo. Ny fihibohana sy ny fikatonan’ireo orinasa dia nampidina haingana ny famokarana ka namotika ny toekarena hoy Atoa Gédéon Rajaonson.

 

 

 

 

Amin’izao fotoana izao dia ampoizina ho mitombo be ny mahantra ary tsy maintsy hiakatra hatrany ny taham-pahantrana eto Madagasikara. Araka izany dia tena ilaina ny ezaka amin’ny ady amin’ny fahantrana hoy izy. Santatra ny fananganana ny plan de mitigation iarahana amin’ny sehatra tsy miankina izay drafitra hiatrehana ny krizy ara-toekarena. Mbola tsy miodina tsara anefa izany ary tsy ampy ny vahoaka ny fizarana vary mora sy ny tosika fameno etsy sy eroa. Maro be ny sehatra mbola tsy nampiana tahaka ny fizahantany izay efa mitsoka anjomara fanairana mandrakariva. Etsy andaniny dia tokony hojerena manokana ny sehatra tsy ara-dalàna izay saika ireo vahoaka sahirana no mandrafitra azy hoy hatrany ity mpandinika toekarena ity. Vaindohan-draharaha avokoa amin’izao fotoana izao ny sehatra rehetra hoy ny tenany ary tsy misy azo tsinontsiniavina. Maika ny famerenana ny olona amin’ny asany ary hampitomboina mihitsy aza ny fanomezana asa raha vao misy hirika. Mila mametraka ny fepetra hanaingàna haingana ny toekarena ny fanjakana ary ilaina ny fiaraha-mientan’ny rehetra. Ny sehatra fanabeazana, ny fitaterana, ny famokarana, ny fambolena, ny fanondranana, ny fotodrafitra rehetra dia saika laharam-pahamehana avokoa. Tokony hanaovana ezaka be izany rehetra izany mba hampiodina haingana ny toekarena indrindra aorian’ny tsy fihibohana intsony. Amin’izao fotoana izao dia efa tokony hipetrapetraka ireo drafitra rehetra mahakasika ireo sehatra mampandroso haingana ny toekarena ireo satria hazakazaka be ny an’ny firenena tsirairay aorian’ity krizy ity hoy hatrany ny Mpahay toekarena, Gédéon Rajaonson.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT