Toekarena

Gédéon Rajaonson “Fitondrana repoblikanina tena izy no ilaina”


  • Zoma 19 Aprily 2019

Aleo hipetraka amin’izay ny fitondrana repoblikanina amin’ny fotoana maharitra mba hamaha haingana ny olan’ny firenena Malagasy, hoy ny mpahay sady mpampianatra toekarena Gédéon Rajaonson. Manarak’izany dia tokony hampiseho mihitsy ny fanjakana fa akaiky ny vahoaka izy mba hiteraka fifampitokisana. Hatramin’izay dia niteraka olana hatrany ny fananan’ny antoko politika fomba fijery samihafa mahakasika ny raharaham-pirenena.

Samy manana ny fomba fiasany sy ny fomba nitaizana azy ao anatin’ny antoko ihany koa izy ireo kanefa na  misy aza izany rehetra izany dia mila tezaina ny rehetra tsy ankanavaka amin’ny fandraisana andraikitra hampandroso haingana ny firenena. Tokony ho harena mihitsy aza, hoy izy ny tsy fitovian-kevitra amin’ny tsirairay satria samy manana ny paikadiny hampanankarena ny firenena izy ireo. Tsy maintsy mendrika hatrany ny mpitarika politika ary mampiseho ny fahendrena na ny  eo amin’ny fitondrana na ny eo anivon’ny mpanohitra. Maika ny fanarenana ny toekarena ary tsy tokony hipetraka intsony ny fitiavan-tena te hahazo toerana fotsiny. Nanamafy Atoa Gédéon Rajaonson fa aleo hisy fitondrana repoblikanina amin’izay ary tompon’andraikitra miara-misalahy amin’izany ny mpitondra sy ny mpanohitra mba hanjakan’ny fitoniana ara-politika maharitra. Nanamafy hatrany ny tenany fa mbola hendry ny Malagasy ary manana tombony i Madagasikara oharina amin’ireo firenena maro mihasahirana amin’izao fotoana izao. Mila miasa mafy, hoy izy ny fanjakana hitarika ny fampandrosoana an’i Madagasikara satria efa tena lalina loatra ny fahoriana sy ny fahantran’ny vahoaka.

Tsirinasolo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT