Toekarena

GDPEM Hamaha ny olan’ny famokarana angovo


  • Talata 27 Jona 2017

« Ny antom-pijoroanay GDPEM, dia hamaha ny olan’ny angovo eto amintsika, satria azo hatao tsara izany, amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa matotra eo amin’ny orinasa tsy miankina sy ny fanjakana amin’ny fananganana “central” kely be dia be isaky ny kaominina eran’i Madagasikara.

Ireo angovo ireo mitambatra dia manome angovo be dia be, ka afaka mamaha ao anatin’ny fotoana fohy ny olan’ny angovo eto amintsika, satria manan-karena rivotra, rano, masoandro isika », hoy Atoa Sahondraharison Rakotomalala (Mami), filohan’ny filankevi-pitantanan’ny «  Groupements Des Professionnels de l’Energie à Madagascar », ny sabotsy teo, tetsy amin’ny Tanàna Soa Ambohimanga Rova, nandritra ny fanaovany fianianana imasom-bahoaka notronina olona an’arivony sy olom-boafidy tamin’ny lanonana fitokanana ny tsangambato takela-pahatsiarovana manamarika ny fitsanganan’ity vondrom-pikambanan’ireo orinasa misehatra amin’ny angovo ity tamin’ny fomba ofisialy.

Mila fanatsarana ny lalàna ho tombontsoam-pirenena

Nahitsy kosa ny Ben’ny tanànan’ Ambohimanga Rova, Fidimalala Ravoninjatovo tamin’ny kabariny sady nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny lanonana, fa « tsy afaka handroso mihitsy isika raha tsy misy angovo ». Nampanantena kosa ny depioten’Avaradrano, raha nandray fitenenana, fa « vonona izahay olom-boafidy hiady amin’ny fanatsarana ny lalàna mba hahazoan’ny olom-pirenena rehetra herinaratra sahaza azy, ary zava-dehibe izao fijoroan’ny GDPEM izao hamaha ny filana tsy ampy ». Taorian’ny kabary samihafa, dia niroso tamin’ny fiaraha-nisakafo vary bemenaka sy nofon-kena mitam-pihavanana. Nohafanain’i Théo Rakotovao mpihira malaza, izay mpikambana mavitrika ao amin’ny GDPEM sy mpanakanto maro ny hetsika Alahamadin’ny Alahamady ny GDPEM, izay nofaranana tamin’ny fandefasana afomanga sy harendrina, ny lanonana ny alin’ny 24 jona teo,


 

Eric R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT