Toekarena

Gargotte noravana etsy Anosy Maty antoka ana hetsiny maro isan’andro


  • Alarobia 31 Janoary 2018

Nanomboka namoaka ny entany teo ivelany ireo mpivarotra hani-masaka manamorona ny ranon’Anosy tratran’ilay asa fandravana tanterahin’ny ministeran’ny fanajariana ny tany, omaly.

 Mitohy ihany koa ny asa fandravan’izy ireo ny tranony izay marihina fa trano vy avokoa sady amin’ilay karazany tena lafo. Raha araka ny fanadihadiana natao tamin’Atoa Hasimanana, anisan’ireo tompona gargotte efa nanajary ny toeram-pivarotany nandritra ny efa-taona teny amin’ny fivarotam-boninkazo eny Anosy  teo aloha dia mpiasa miisa valo no tsy maintsy naatony tamin’ny asany nanomboka ny herinandro teo nefa samy mamelom-bady aman-janaka avokoa. Ankoatra izay dia mahatratra ana hetsiny maro isan’andro ny fatiantoka miampy ny hadisoam-panantenana.  Ho an’ireo mpanety am-polony manoloana ny hotel lehibe Carlton kosa indray dia tsy mbola voakasika izy ireo hatramin’ny omaly na dia tafiditra ao anatin’ireo toerana tsy maintsy  horavana aza. Na izany aza dia efa mitady hevitra ny ankamaroan’izy ireo mba tsy hahatapaka ny vava homana. Amin’ny ankapobeny mantsy dia hidirana 15.000 Ar isan’andro ny mpanety iray raha misy olona folo tonga miety ao aminy. Tsy latsaky ny dimy anefa izany rehefa tena tsy misy.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT