Toekarena

« Gare routičre » Andohatapenaka Naaton’ny kaominina ny asa


  • Talata 07 Martsa 2017

Tonga teny amin’ny tanimenabe Andohatapenaka omaly ny delegasionina avy ao amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra nijery ifotony ny zava-misy momba ilay fikasana hanorina “gare routičre” na toby fiantsonan’ny taksibrosy sy toby fivarotan-tsolika.

 

 Ny minisitera misahana ny tetikasan’ny filoham-pirenena sy ny fanajariana ny tany ary ny fampitaovana moa no mandraikitra ny asa. Tanin’ny Tiko izy io ary efa natolotra ny kaominin’Antananarivo Renivohitra (CUA) mba hanatobiana ireo fiara mandika lalàna na atao “fourrière”. Nisava ny fahazoan-dalana amin’ny famefena io tany io ny kaominina omaly no sady nijery ihany koa ny fanotofana ny tany rehetra izay tsy misy fahazoan-dalana avy amin’ny kaominina. Marihana fa ny minisiteran’ny fanajariana ny tany ihany no efa namoaka didim-panjakana milaza fa tsy azo atao ny manototra tany. Nisy avy hatrany ny taratasy nomen’ny kaominina ny orinasa SMATP izay nanao ny famefena fa tsy maintsy hajanona ny asa manomboka izao. Mila mankany amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ny tompon’andraikitra mifampiresaka. Etsy an-kilan’izay dia velon-taraina ihany koa ireo fianakaviana 10 tafo nesorina tsotra izao tamin’ny toerany satria manify dia manify ny vola nomen’ny fanjakana ary tsy mahatsangana trano mihitsy. Mitaraina koa ny mponina noho ny fiangonan’ny rano manodidina ny fanotofana satria efa manomboka dibo-drano sahady eny an-toerana ankehitriny. Mampanahy ny zavatra mety hitranga rehefa mijojo noho ny andro ratsy na ny rivodoza ny orana fa dia ho dibo-drano tanteraka ny tanàna. Ho hita eo indray izay mety hambaran’ny minisi-panjakana misahana ny tetikasan’ny filoham-pirenena sy ny fanajariana ny tany Narson Rafidimanana momba ity resaka tany eny Andohatapenaka ity fa dia miato aloha izany ny asa amin’izao fotoana taorian’ny bemidina nataon’ny kaominina omaly.


RTT



Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT