Toekarena

Fy Andrinarison “Fototry ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra”


  • Zoma 15 Martsa 2019

Iaraha-mahita ny fijalian’ny mpiompy sy ny mpamboly any ambanivohitra amin’izao fotoana izao. Ankoatran’ireo olana miteraka ny fahantran’ny tantsaha dia manampy trotraka izany ny fangalan’ny fanjakana hetra ambony amin’izy ireo.

 

 

Raha eo amin’ny sehatra fiompiana dia midangana ny vola alaina isaky ny akoho sy zanak’akoho ka mahaketraka ny tantsaha. Tokony hisy ary laharam-pahamehana hoy Rtoa Fy Andrianarison ny fanolorana volavolan-dalàna hamerana izay hetra alaina amin’ny mpiompy akoho ao anatin’ny distrika. Voakasika amin’izany na ireo mpiompy akoho mpanatody lava na ireo mpiompy akoho fakana nofony. Tahaka ny eny amin’ny distrikan’Ambohidratrimo, izay nametrahany ny taratasy filatsahan-kofidiana ho depiote, dia tena ilaina hoy izy ny fihainoana sy ny fanatanterahana ny hetahetan’ny tantsaha satria ny fampiroboroboana ny tontolo ambanivohitra  no anisany hiteraka ny fampandrosoana. Ankoatr’izay dia nanambara izy fa tokony hisy ihany koa ny fametrahana lalàna any amin’ ny fokonolona mba hiteraka fandriampahalemana.  Malaza ratsy amin’ny tsy fandriam-pahalemana ny eny Ambohidratrimo ka ilàna fandraisana andraikitra haingana  mba hilamina ireo mponina indrindra ireo tantsaha maro an’isa.

Tsirinasolo

Fy Andrianarison, mpanao gazety vonona ho solombavambahoaka

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT