Toekarena

FTHM Consulting Fahombiazana no azony tamin’ny fampiroboroboana ny orinasa


  • Talata 12 Desambra 2017

Tontosa soa aman-tsara omaly teny amin’ny Ibis Ankorondrano ny fanolorana ilay certification ISO 9001-2015 ho an’ny FTHM Consulting, orinasa iray mpanolotsaina amin’ny fitantanana ny orinasa eto an-toerana sy any ivelany.

 Mba ho fanomezana fahafaham-po ny mpanjifa no anisan’ny antom-pijoroan’ity orinasa iray ity ankoatra ny fampiroboroboana ny orinasa. Ny antsasaky ny orinasa Malagasy no efa mametraka ny fitokisany amin’ny FTHM ankehitriny raha ao Afrika Atsimo kosa ny antsasany, hoy Rajaona Thierry, anisan’ireo mpitantana eo anivon’ny FTHM. Antony nanomezana izao certification izao ny hanomezana antoka ny mpanjifa fa manaraka ny kalitao ny asa tanterahin’izy ireo. Tamin’ny taona 1994 no niorina voalohany teto amintsika ny FTHM consulting. Certification miisa 5 hatreto no efa azony, ho valin’ny asa vitany tamin’ny fampiroboroboana ny orinasa Malagasy sy ireo orinasa any ivelany. Narahina fizarana mari-boninahitra ho an’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny ny hetsika.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT