Mila fanatsarana amin’izao vanim-potoanan’ny mainandro izao ireo fotodrafitrasam-pambolena nahitana fahasimbana tamin’ny fotoana nisian’ny andro ratsy ireny eny amin’iny faritry ny distrikan’Atsimondrano iny,
hoy ny depiote Raharimanarivo Voahanginiaina, mba hahazoan’ny mponina eny an-toerana izay saika tantsaha avokoa ny 80 % mamokatra ara-dalàna amin’ny fotoam-pambolena manaraka. Tafiditra ao, araka ny nambarany, ny fefiloha vaky teny Fenoarivo izay anisan’ny asa mila fanarenana maika. Eo koa ny fampidiran-drano maika eny Ampasika. Tsy ireo ihany anefa no mampijaly ny mponina ao amin’ity distrika ity fa eo koa ny faharatsian’ny lalana toy ny fisian’ny lavakabe migodana ao izay efa nanaovana tatitra tamin’ny tompon’andraikitra mahefa. Efa nitarainany teny anivon’ny minisitry ny asa vaventy koa ary nampanantenaina hovitaina ny lalana eny Avarabohitra Itaosy nefa tsy nasiana fikitiana akory. Asa goavana tsy ho vitan’ny CLD ireo na dia noheritreretina ho vitaina amin’izany azy ka hanairana ny sain’ireo tompon’andraiki-panjakana mahefa.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.