Mbola nofinofy hatreto ilay teny hoe fotodrafitrasa lovain-jafy raha mijery an’i Madagasikara.
Matikambo hatrany ny mpitondra hatreto hatramin’izay fa iray ihany no hita ho nanao zava-dehibe izany. Amin’izao aza dia ezahana aseho sy tantaraina hatrany ilay hoe fotodrafitrasa fampandrosoana lovain-jafy. Efa nisy mihitsy tamin’ny fotoan’androny ny fanamafisana ny fiaraha-miasan’ny governemanta sy ny firenena mikambana miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka. Fotodrafitrasa holovain-jafy no dradradradraina foana kanefa ny lalana amboarina amin’izao fotoana aza mbola petatoko no betsaka. Tefy maika sy zara fa vita satria simba sahady ny ankamaroan’ireny tratran’ny andro ratsy teo. Efa fantatr’ireo tompon’andraikitra ireo fa tena ilaina ny lalana, indrindra ny amin’ireo tany lavitr’andriana nefa mamokatra. Aiza no tsy hitotongana hatrany ny ariary ary tsy mety tafarina mihitsy satria mahantra famokarana sy fanondranana i Madagasikara. Mifamatotra amin’izany ny fihenan’ny vola vahiny noho ny fatiantoka ara-barotra noho ny entana hafarana betsaka loatra no ho ny aondrana. Noho ny fahapotehan’ny fotodrafitrasa dia tsy handeha ny fandraharahana ary ampoizina indray ny tsy ahatrarana ny tanjona hampitomboina ny harinkarena faobe. Efa fantatry ny mpitondra izany rehetra izany saingy efa fahazarana koa moa ny fitadiana fanampiana avy any ivelany hibabena trosa. Tsy maintsy hisy ny voin-kava-mahatratra na dia hita taratra aza ny tsy fahatokisan’ny mpamatsy vola ny firenena. Tokony hiova amin’izay ny toetsaina sy ny fomba fanao, indrindra amin’izao fitondrana vaovao sy taona vaovao izao. Aleo mba ilay tena ho mety lovain-jafy mihitsy no apetraka amin’izay zavatra rehetra hatao sy hatsangana fa tsy fizahozahoana sy fampanofisana foana no hirahiraina.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.