Toekarena

Foire Internationale de Madagascar Maro ireo mpandraharaha Malagasy efa nahazo tohana taminy


  • Zoma 27 Aprily 2018

Hotontosaina ny 3,4,5 ary ny 6 mey ho avy izao indray eny amin’ny zone Forello expo Tanjombato ilay hetsika “Foire International de Madagascar” andiany faha-13 karakarain’ny agence de communication le premiere ligne.

 

 Tao anatin’izay andiany 12 efa vita  izay dia fantatra fa mpandraharaha Malagasy marobe no efa nahazo tombony. Nisy ireo nahita lalam-barotra nankany ivelany ary efa afaka manondrana entana ara-dalàna ankehitriny. Nisy ihany koa ireo nahazo mpiara-miombon’antoka aminy. Amin’ity andiany faha-13 ity indray dia ny fanomezan-danja manokana ireo vehivavy mpandraharaha eto amintsika no tena tanjon’ny FIM  ka anisan’ireny ny « Groupement des femmes entrepreneurs de Madagascar » ( GFEM). Mila hatosika mantsy izy ireny, hoy Atoa Ramiaramananarivo  Dominique mba hahafahany mitady  lalam-barotra any ivelany sy mifanakalo  traikefa amin’ireo mpandraharaha vahiny mitovy aminy. Ho avy eto amintsika mihitsy moa mandritra ireo  andro ireo ny filoha ity fikambanam-behivavy iray ity. Ankoatra izay dia ho avy eto amintsika ihany koa ireo karazana  orinasa aty amin’ny ranomasina Indiana hizara ny fahaiza-manaony amin’ireo karazana orinasa Malagasy. Tanjon’ny mpikarakara ny mba hisian’ny fanatsarana ny fifanakalozana ara-barotra eo amin’ny roa tonta. Tsy latsa-danja amin’izany ny resaka. Tsiahivina moa fa ankoatra ireo mpandraharaha an-jatony maro efa nandray anjara hatramin’izay dia mpandraharaha vaovao miisa 97 ihany koa no fantatra fa hanatevin-daharana ity « Foire International de Madagascar » andiany faha-13 ity.

Pati


 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT