Toekarena

Foire FIM iarovana tontolo iainana Hampiseho fahaiza-manao ny mpianatr’i Vontovorona


  • Alakamisy 27 Aprily 2023

Ny foara iraisampirenen’i Madagasikara na FIM ho tanterahana ny 11 hatramin’ny 14 may izao etsy amin’ny Parc

expo Forello Tanjombato dia ahitana ivotoerana manokana momba ny fikarakarana sy fikolokoloana tontolo iainana ao anaty fandraisana andraikitra na «Espace éco-responsable», hoy ny tomponandraikitra voalohany, Harilala Ramanantsoa. Ahafahan’ireo orinasa, ONG, fikambanana mampiranty na mampahafantatra koa asany ao anatin’izany fikoloana sy fiarovana ny tontolo iainana izany amin’ny asa aman-draharaha ataony isan’andro izy io, hoy izy. Misy fanentanana manokana ho an’ny sarambaben’ny olona, indrindra, ho an’ireo matihanina mba hahazoana hevitra, traikefa, amin’ny mety fihetsika na fomba amam-panao amin’ny fiainana an-davan’andro ahafahana miaro sy mikolokolo ny tontolo iainana. Isan’ny hampiavaka ny FIM amin’ity ny fametrahana izay fiarovana ny tontolo iainana izay. Hampiasa herinaratra azo avy amin’ny herin’ny masoandro ny FIM mandritr’io 4 andro io. Tapa-bolana mialoha isika izao dia efa ny «Panneaux solaire» an’ny Hazovato avokoa no mamatsy herinaratra ato amin’ny Forello. Miezaka amin’ny lafiny rehetra izahay. Mbola manana hetsika miisa 3 izahay amin’ity taona ity fa santatra am-bavarano izao hanehoana fa ny fomba rehetra ahafahana miaro ny tontolo iainana dia tokony ho ataon’ny isam-batan’olona sy ny orinasa tsirairay. Izay no antony nanomezana sehatra ireo orinasa miisa 30. Maimaimpoana ny fandraisan’izy ireo anjara ato amin’ny FIM mba hampahafantarany ny vokatra miaro tontolo iainana ao aminy. Ny mpianatr’i Vontovorona izao haneho ny fahaiza-manaony amin’ny fanaovana «Panneaux solaire artisanale» na sahafa mpamatsy herinaratra amin’ny herin’ny masoandro vita tanana. Manantena izahay fa hahazo ampahana vahaolana amin’izay fikoloana sy fiarovana tontolo iainana izay izay mpitsidika ho avy, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT