Toekarena

FOIRE DE L’IMMOBILIER Nahasarika olona marobe tokoa, indrindra ireo mpividy tany


  • Talata 02 Mey 2017

Fahombiazana tamin’ny ankapobeny no azon’ny In’idea Agency sy ny Gazet’Immo nandritra ilay “Foire de l’immobilier” andiany voalohany notanterahiny tetsy amin’ny lapan’ny tanànan’Analakely ny faran’ny herinandro teo.

Nahasarika olona maro ny hetsika. Ankoatra ny fakana hevitra tamin’ireo matihanina mikasika ny asa fanamboaran-trano sy ny zaridaina  dia anisan’ny nanao tohivakana ihany koa ireo mpividy tany. Ho an’ny Master Immobilier manokana izay nandray anjara tamin’izany dia anisan’ny nampiavaka azy ny fisian’ilay fihenam-bidy 35%  taorian’ny nahatraran’izy ireo ny faha-1.000-n’ny isan’ny tany lafony. Tao anatin’ny fito volana raha ela indrindra raha araka ny fanazavan’Andrianarivelo Joane, tale ara-barotra eo anivon’ny orinasa dia efa nahazo titra avokoa ny tany rehetra namidin’izy ireo hatramin’izay izay mbola mitohy any amin’ny lalam-pirenena voalohany sy faharoa ankehitriny. Nambarany moa fa mbola mijanona amin’ny fivarotana tany ihany izy ireo hatreto raha ho avy tsy ho ela kosa ny fananganana trano efa vonona miaraka amin’ny tany. Anisan’ny nampiavaka ny « Foire de l’immobilier » ny  fisian’ireo matihanina izay afaka nandray ireo olona manana olana mikasika ny ady tany. Ireo mpandova miady lova ankoatra ireo mpiray vodirindrina miady tany no betsaka indrindra tamin’izany, raha araka ny fanazavan-dRasoanarivo Suzue, anisan’ireo tompon’andraikitra nikarakara. Fanirian’ny mpitsidika ny mbola hitohizan’ny hetsika.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT