Toekarena

Foire de l’immobilier Hanomboka rahampitso eny lapan’ny tanàna


  • Zoma 28 Aprily 2017

Hotanterahina etsy amin’ny lapan’ny tanànan’Analakely manomboka rahampitso sabotsy 29 aprily haharitra telo andro ilay « Foire de l’Immobilier » karakarain’ny In’Idea Agency,

 

 orinasan-tserasera iray  vaovao eto amintsika no sady mpikarakara fampisehoana sy lanonana ihany koa.  Anisan’ny vokatra efa nahafantarana azy ireo ny Gazet’Immo, mpiseho isan-kerinandro eto amintsika izay  miompana amin’ny fanaingoana trano sy ireo  karazana kojakoja ilaina mifandraika amin’izany. Hita ao anatin’ny Gazet ‘Immo ihany koa ny mikasika ny fivarotana tany sy trano  izay tena mahaliana ny maro sy be mpitia tokoa. Anisan’ny antony hikarakaran’ny In’Idea Agency ny Foire de l’Immobilier  izany mba hahafahan’ny mpanjifa sy ireo karazana agence mivarotra na mampanofa tany sy trano mihaona mivantana no sady hahafantaran’iretsy voalohany ireo karazana fihenam-bidy tokony ho azony ihany koa. Marihina moa fa hetsika iray natao hamondronana ireo karazana agences immobilieres eto amintsika ity foara iray ity. Eo ihany koa ireo orinasa mpanamboatra kojakoja fanamboaran-trano eto amintsika mba hahafahany mampahafantatra ny vokany amin’ny mpanjifa. Tsy latsa-danja amin’izany ireo tranoheva izay hivarotra sy hampahafantatra ireo karazana haingo fanao anaty trano toy ny loko, ny carreaux ... Tsiahivina moa fa ho an’ireo agence izay hivarotra tany sy trano dia tsy maintsy manana toerana hanaovana resaka fifampivarotana amin’ny mpanjifa izy ireo ka 1.000 Ar  isan’andro ny ticket iray. Malalaka kosa izy ireo amin’ny isan’ireo mpanjifa horaisiny.  Mpanohana ofisialy ny hetsika ny Sweet Home, orinasa havanana manokana amin’ny fanamboarana trano izay manana tanjona hanome trano mora sy tsara ho an’ny Malagasy. Karazana trano miisa telo no hatolony ho an’ny mpanjifa, anisan’ireny ireo karazana kojakoja  hampiasaina, ny fotoana hanorenana ny trano…Toraka izany koa ny Master Immobilier Services izay efa diso fantatry ny maro loatra.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT