Toekarena

Foiben` ny volamena Lany ny lalàna, asa izay fampiharana azy


  • Alakamisy 03 Septambra 2020

Nolanian` ireo solombavambahoaka tsy nasiam-panovana ny volavolan-dalana lah. 001/2020 izay mirakitra tolo-dalàna telo ka anisan` izany ny lalàna mifehy ny harena an-kibon`ny tany.

 

 

 

 Zavatra telo no nasiam-panovana: fananganana ny sampandraharaham-panjakana foiben` ny volamena (Centrale de l` or), hitantana sy hanara-maso manodidina ny volamena eto Madagasikara. Eo koa ny manodidina ny fanomezan-dalana mikasika ny harena an-kibon` ny tany mba tena hitondra tombontsoa ho an` ny firenena sy ny toekarena ny fitrandrahana fa tsy vao mainka hampidi-trosa ny fanjakana toy ny zava-misy ao amin` ny orinasal QMM, misy ampahana renivola 20% an` ny fanjakana. Lalana mankany amin` ny hahafahan` ny fanjakana mividy sy mitahiry volamena (birikim-bolamena) io fanavaozana lalàna sy ny fananganana ny foiben` ny volamena io. Ny vahiny moa no tena manangona sy mividy azy ireny amin`ny mpitrandraka Malagasy ary entin` izy ireo any ivelany. Betsaka izy ireny no mivoaka amin'ny fomba tsy ara-dalàna eto amintsika. Ny pôlitika hitantanana ny harena an-kibon` ny tany eto mihitsy no tsy mazava tsara, ary na misy aza ny fitsipika sy lalàna toa mbola mandeha ihany ny mandeha, hoy ny fitenenana ary ny mangaraharaha izany moa diaa efa tahaka ny angano .Tsara ho fantatra koa izao hoe firy taonina ny tahirina volamena ao amin ny banky foiben` i Madagasikara ? Marihana fa ny fepetra hanatsarana ny tontolon` ny harena an-kibon` ny tany  ny fampiakarana 4 hatramin` ny 8% ny tamberim-bidy raha 2% monja amin` izao fotoana izao. Raha ny tatitra tamin` ny taona 2017 dia nahatratra 2,833 taonina ny volamena no naondrana tany ivelany. Raha heverina fa 200 000 ariary ny 1 grama dia 566, 6 miliara ariary izany na manodidina 166 tapitrisa dolara (1 dolara=3 400 ariary) no sandan` ireo volamena 2, 833 taonina naondrana. Raha toa ka voafehy tsara io sehatra iray io ao anatin` ny dimy taona ohatra dia hahazo vola be hatrany amin` ny 833 tapitrisa dolara i Madagasikara.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT