Focus development association

«Ambany dia ambany ny tahan’ny fanoratana zaza teraka eto »


  • Zoma 27 Desambra 2024

Ambany dia ambany ny tahan’ny fanoratana zaza teraka eto Madagasikara, raha ny nambaran’ny FDA

na Focus development association, izay fikambanana miasa ho fiarovana ny zon’olombelona tahaka ny zo hizaka zom-pirenena, ny zo hahazo fanabeazana, ny zo maha lahy sy maha vavy eto Madagasikara. Izay, hoy ny fanazavan’ny tomponandraikitra momba izany, Richmond Zafera, no mahatonga ny FDA manasongadina iny lafiny iny. Isan’ny tena antony ahatongavan’ny UNHCR, izay rafitra ambony ao amin’ny firenena mikambana manara-maso momba ireo mpitsoam-ponenana, io mikasika ny sora-piankohonana io mba hanenana ny fisian’ireo tsy manan-tsata na «apatride», hoy ny fanazavany. Mety ho lasa tsy manan-tsata ireo ankizy tsy manana sora-piankohonana. Ny antony dia tsy ho fantatra hoe zanak’iza iny, avy amin’iza, teraka taiza? Raha mbola zaza no tsy misoratra dia ho sarotra ny hamantatra izay maha izy azy na «identité» azy izay koa rehefa lehibe izy. Ho sahirana koa izy rehefa hanoratra ny zanany any aoriana any. Mahatonga tsy fisitrahana zo fototra maromaro ny tsy fananana sata. Isany, ohatra, ny zo hananana taratasim-panjakana sy ny zo hisitrahana fitsaboana any am-pitan-dranomasina satria ianao izany tsy afaka ny hanana pasipaoro dia tsy afa-mihetsika eto, hoy hatrany ny fanazavana. Ny taona 2018 no nisy fanisana farany ireo tsy manan-tsata eto Madagasikara, raha ny fampitam-baovaon’ny FDA. Miisa 626 ireo tsy manan-tsata ireo ka lehilahy avokoa ny 66%n’izy ireo raha toa ka vehivavy ny 34%. Nisy moa ny atrikasa niarahan’ny FDA sy ireo mpanao gazety mpanadihady momba izany teny Mandrosoa Ivato omaly.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT