Toekarena

Foaran’ny fambolena - Bongolava Tohanan’ny BNI Madagascar


  • Sabotsy 08 Jolay 2017

Nosokafana tamim-pomba ofisialy ao an-drenivohitr’i Tsiroanomandidy omaly, haharitra roa andro ilay foaran’ny fambolena tanterahina any amin’ny Faritra Bongolava.

 

Tonga nanokatra ny lanonana tany an-toerana ny praiminisitra lehiben’ny governemanta Solonandrasana Olivier izay nanantitrantitra ny maha zava-dehibe ny hetsika tahaka izao hahafahana mampandroso ny firenena. Ny Banky  BNI Madagascar no mpanohana ny hetsika sady mandray anjara mavitrika ihany koa. Ho azy ireo mantsy dia anisan’ny lalana iray hahafahana manatsara ny toekarem-pirenena sy ny sosialy ary ny kolontsaina ny fijerena ny tontolo ambanivohitra manana loharanon-karena tahaka izao. Tsiahivina fa tamin’ny volana septambra taona 2016 no efa niorina tao Tsiroanomandidy ny banky BNI. Na izany aza  fotoana mbola tokony hampahafantarany ireo karazana tolotra misy ao aminy izao entina hanampiana ireo tantsaha mpamokatra sy ny olon-tsotra. Toraka izany koa ireo mpiasam-panjakana izay manana tolotra manokana ao amin’izy ireo. Miisa 59 ireo masoivohon’ny BNI eto amintsika ankehitriny.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT