Toekarena

Foaraben’ny hazandrano II Hetsika natao hanoroana hevitra ireo mpamokatra


  • Zoma 16 Septambra 2022

Nosokafana tamim-pomba ofisialy omaly tetsy amin’ny kianjan’i Barea Mahamasina haharitra telo andro ilay foaraben’ny hazandrano andiany faharoa, karakarain’ny Ministeran’ny jono.

Haharitra telo andro izany ka anisan’ny tanjona ny hahafahana manoro hevitra ireo mpamokatra ho entina mampitombo hatrany ny vokatra. Nambaran’ny Minisitry ny Jono Mahantante Paul bert nandritra izany fa anisan’ny toro-hevitra nampitain’ny FAO izay mpanohana sy mpiara-miombon’antoka amintsika ny hahafahana mampitombo hatrany ny vokatra any anaty ranomasina sy ranomamy. Toraka izany koa ny fomba fandrahoana azy mba hisy vokany ara-pahasalamana ankoatra ny fomba fihinanana azy. Ho antsika eto Madagasikara dia mbola vitsy ireo mahafehy izany. Tsy betsaka ihany koa ny vokatra trondro hohanin’ny olona noho ny halafosany antony hampitombo hatrany ny vokatra mba hoity vokatsoa avokoa ny isan-tokantrano. Trano eva am-polony no mandray anjara amin’ity hetsika ity ka ankoatra ny trondro dia hita ao ihany koa ireo karazana hazandrano toy ny foza, ny makamba….izay tafiditra ao anatin’ireo sakafo matsiro ankafizin’ny olona avokoa.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT