Nifarana ny sabotsy 3 novambra lasa teo rehefa naharitra telo andro ilay hetsika Haona Fi, foara nokarakarain’ny fiangonana Fjkm nentina nampihaonana ny fiarahamonina teny amin’ny village voara Andohatapenaka.
Fahombiazana tanteraka no azo tamin’izany, raha araka ny fanadihadiana natao. Saika tonga maro hatrany mantsy ireo mpitsidika nandritra ireo telo andro ireo, raha araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra, indrindra fa ny sabotsy teo nandritra ny andro famaranana. Maro tamin’ireo mpitsidika no niantsena sy nitondra ireo ankohonany nialavoly raha tsy vitsy ihany koa no nanararaotra ilay fitiliana ara-pahasalamana marobe hita teny an-toerana. Ny fitiliana ny aretina diabeta sy ny fitsapana tosidra no tena nahaliana ny maro tamin’izany izay marihina fa handoavam-bola 5.000 Ar raha kely ny mijery azy eny anivon’ny tobim-pitsaboana tsy miankina. Toraka izany koa ny fitiliana ny otrikaretina Vih/SIDA izay marihina fa nijanona ho an’ireo tompon’andraikitra sy ny marary ihany ny tsiambaratelo mahakasika izany. Tsiahivina moa fa nahatratra an-jatony ireo tranoheva nandray anjara tamin’ity hetsika ity ka ankoatra ireo mpivarotra akanjo, kiraro, kojakoja maro samihafa ilaina amin’ny fiainana andavanandro dia hita teny an-toerana ihany koa ireo karazana banky sy trano fiantohana maro isan-tsokajiny. Nambaran’ireo mpikarakara moa fa santatra am-bava rano ihany ity hetsika Haona Fi ity satria dia mbola hisy ny andiany faharoa, entina hampihaonana hatrany ny fiarahamonina.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.