Toekarena

Foara mahakasika ny vatosoa sy ny firavaka Hampisongadina ny haren’i Madagasikara


  • Alarobia 26 Septambra 2018

Sambany eto amin’ny firenena no hisy foara be momba ny vatosoa sy ny firavaka ( Madagascar Gem and Jewellery fair -1ère edition ) izay hotanterahina eny amin’ny Mining Business Center Ivato ny 23 hatramin’ny 27 oktobra ho avy izao.

 

 

 

Tanjona ny fametrahana an’i Madagasikara eo amin’ny toerana iraisam-pirenena noho izy manankarena vato sarobidy, hoy ireo mpikarakara ny hetsika omaly talata 25 septambra tetsy amin’ny Hotely Colbert Antaninarenina. Hampirantiana amin’io 5 andro io ireo vatosoa mampiavaka an’i Madagasikara ary hampahafantarina amin’izao tontolo izao ireo karazany marobe ananan’ny firenena Malagasy. Rehefa misy foara lehibe mahakasika ny vatosoa aza moa any ivelany any dia hita mirantiranty hatrany ny vokatra avy eto ary maro ireo firenena hafa mividy ny vatosoan’i Madagasikara. Fa ankoatra ny fampirantian’ireo mpisehatra sy ireo mpandraharaha ny vatony dia hanamarika ity foara ity ny fisian’ny fifaninanana nasionaly amin’ny fanodinana vato (taillage). Tanjona amin’ity farany indray ny hijerena ny fahaizan’ny Malagasy manodina vato ka mba ho vato efa voahodina no aondrana betsaka mba hisy tamberim-bidy ambony hiditra amin’ny firenena. Amin’izao fotoana izao mantsy dia vato tsy voahodina (brute) no aondrana be dia be ka ny vahiny hatrany no mahazo tombony. Hisy mihitsy ny mpitsara iraisam-pirenena amin’io fifaninanana io ary ny vatosoa voahodina tsara amin’izany dia haranty any Londres mandritra ny fivoriana iraisam-pirenena ataon’ny manampahaizana amin’ny vatosoa amin’ny volana novambra. Marihina fa ny biraon’ny kadasitry ny harena ankibon’ny tany eto Madagasikara (BCMM), ny minisiteran’ny harena ankibon’ny tany sy ny solitany ary ny toeram-panofanana momba ny vato sarobidy (IGM) no mikarakara ny hetsika. Tranoheva 50 no hanao fampirantiana ao ary 2.500 ny mpitsidika andrasana.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT