Toekarena

Foara iraisam-pirenena momba ny fambolena sy fiompiana Atao ny 14 ka hatramin’ny 17 septambra


  • Sabotsy 22 Jolay 2017

Sambany no hotanterahina eto amintsika ilay foara iraisam-pirenena momba ny fiompiana sy ny fambolena, karakarain’ny agence de communication la premiere ligne. Ny 14 hatramin’ny 17 Septambra ho avy izao no hotontosaina eny amin’ny Forello Expo Tanjombato izany, handraisan’ireo trano eva an-jatony anjara.

  Raha araka ny fanazavan-dRaoniarinjaka Arijaona, tompon’andraikitra eo anivon’ny Ministeran’ny fambolena dia tsy hijanona ho foara toy ny foara mahazatra fotsiny ity hetsika ity fa natao hanampiana ireo tantsaha mpamokatra ihany koa.  Hisy mantsy ny fampahafantarana ny mpitsidika manomboka any amin’ny fikarohana ny fitaovana sy ny masomboly ka hatrany amin’ny fihinanana ny vokatra. Tafiditra ao anatin’izany ny  fitadiavam-bahaolana mikasika ny tany tsy mamokatra,  ny fomba fampiasana ny zezika  hanatsarana hatrany ny vokatra miakatra…Tsiahivina fa hisy ihany koa ny fitadiavana mpiara-miombon’antoka ho an’ireo mpandraharaha mila izany.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT