Toekarena

FOARA IRAISAM-PIRENENA MOMBA NY FAMBOLENA Hotanterahina eny Tanjombato manomboka rahampitso


  • Alarobia 13 Septambra 2017

Hotanterahina manomboka rahampitso Alakamisy eny amin’ny Parc des expositions Forello Tanjombato, haharitra efatra andro ny foara iraisam-pirenena momba ny fambolena karakarain’ny agence de communication la premiere ligne sy ny Ministeran’ny Fambolena.

 Trano eva an-jatony no handray  anjara amin’izany ahitana ireo karazana orinasa Malagasy maro samihafa misehatra eo amin’ny resaka fiompiana sy ny fambolena manomboka any amin’ny famokarana ny vokatra ka hatrany amin’ny fanodinana ny akora hanjary ho sakafo na zava-pisotro hampiasain’ny Malagasy  isan’andro. Tanjon’ny  mpikarakara  raha araka ny fanadihadiana natao ny hanomezana vahana ireo tantsaha mpamboly sy mpiomby eto amintsika, indrindra fa ny mba hahafahan’izy ireo mitady lalam-barotra sy mpiara-miombon’antoka avy any ivelany. Hisy ihany koa mandritra izany ny fivarotana ireo karazana fitaovam-pambolena maro samihafa mifanaraka amin’ny fivoaran’ny toetr’andro raha tsy latsa-danja amin’izany ny fikarakarana kaonferansa iray lehibe hitadiavana vahaolana mikasika ny fiovaovan’ny toetr’andro eto amintsika hahafahana manatsara hatrany ny vokatra miakatra.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT