Toekarena

Foara ekonomika ho an’Analamanga Nanomboka omaly etsy Mahamasina


  • Zoma 26 Novambra 2021

Nanomboka omaly etsy amin’ny kianjan’i Barea etsy Mahamasina haharitra 4 andro ilay foara ara-toekarena karakarain’ny Madavision.

 Ho an’ny eto amin’ny faritra Analamanga manokana dia tranoheva manodidina ny 250 isa no mandray anjara amin’izany ankoatra ireo any amin’ny faritra 22 isa. Tonga nanokatra izany tetsy Mahamasina omaly ny filohan’ny Antenimieran-doholona Herimanana Razafimahefa notronin’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny kaominina Antananarivo renivohitra… Nambarany fa anisan’ny ainga vao hahafahantsika manarina ny toe-karem-pirenena indray ny hetsika tahaka izao, indrindra taorian’ny nandalovan’ny valan’aretina COVID 19. Mendrika ho tohanana sy karakaraina izany raha araka ny fanazavany no sady hanomezana sehatra ny mpandraharaha ihany koa. Marihina moa fa anisan’ny tanjon’ny hetsika ihany koa ny hanomezana vahana ireo mpandraharaha kely madinka hatrany ambany ravinahitra mba ho hitan’ny rehetra ny traikefa sy ny fahaiza-manaony ka hahafahany mitady lalam-barotra. Karazan’entana maro vita amin’ny akora maro samihafa no hita mandritra ity foara ity izay marihina fa tena maneho ny maha-Malagasy avokoa.
Pati
Legende : Betsaka ny saosisy sy koba avy any Talata eny amin'ny foara ara-toekarena sy ekonomika !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT