Toekarena

Foara ekomomika sy ara-barotra Hotanterahina manerana ny Nosy mandritra ny 4 andro


  • Alakamisy 02 Septambra 2021

Hotanterahina manerana ny Nosy manomboka ny 28 oktobra ho avy izao haharitra 4 andro ilay foara ekonomika sy ara-barotra, karakarain’ny Madavision.

 Omaly no nampahafantatra ny mpanao gazety fanindroany ny fisian’ny hetsika izy ireo no sady naka ny hetahetan’ireo tanora mpandraharaha marobe ihany koa. Fantatra nandritra izany fa natao indrindra hanampiana ireo mpandraharaha vaventy, madinika sy salantsalany ity hetsika ity. Faritra 23 isa no hanatanteraka izany miaraka mandritra ny hefarana ka ankoatra ireo manana olana amin’ny fitadiavana mpamatsy vola sy mpanolo-tsaina mba hahafahana mandroso dia ho afaka hivarotra sy hampahafantatra ny vokatra vokariny ihany koa izy ireo. Hisy ny fampahafantatra ny momba ny Fitondram-panjakana mandritra izany toy ireo andrim-panjakana misy sy ny asany avy…mba hahafahan’ny tsirairay manitatra ny fahalalany. Raha araka ny fanazavan-dRamanantsoa Harilala tompon’andraikitra eo anivon’ny Madavision moa dia natao indrindra hanatsarana ny toekarem-pirenena no sady hanampiana ny mpiara-belona ny hetsika tahaka izao.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT