Toekarena

Foara Boeny mihonjo Fahombiazana tanteraka


  • Sabotsy 26 Aogositra 2017

Hifarana amim-pomba ofisialy anio sabotsy 26 aogositra ao Mahajanga rehefa naharitra hateloana ilay hetsika foara ara-toekarena Boeny Mihonjo andiany fahefatra, tohanan’ny Banky BNI Madagascar.

Antony nanosika ity banky iray ity hanohana ny hetsika ny fandraisany anjara mavitrika amin’ny fampandrosoana ny lafiny ara-toekaren’ny firenena miainga any amin’ny faritra, mipaka eto an-drenivohitra. Tanjon’izy ireo ny hanampy sy hanohana ireo orinasa sy ireo mpandraharaha hahafahany mampiroborobo ny seha-pahariany. Ho an’ny faritra Boeny manokana dia ireo mpandraharaha misehatra amin’ny fihariana trondro no tena betsaka indrindra. Ny hamaly ny filan’izy ireo no antony nanosika ity banky iray ity hanohana ny foara. Tsiahivina fa fahombiazana tanteraka ity hetsika ity. Olona an’aliny no tonga nanatrika. Nampiavaka azy ireo rahateo ny fahafahan’ireo mpandraharaha tany amin’ny faritra nifanakalo hevitra tamin’ireo firenena mpikambana ao amin’ny COMESA.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT