Toekarena

Foara ara-toekarena Voatra Andro farany anio


  • Zoma 28 Septambra 2018

Hifarana anio alakamisy 28 septambra eny amin’ny tanàna Voara Andohatapenaka rehefa naharitra telo andro ilay hetsika “Foara Voatra” andiany fahadimy karakarain’ny Antenimieran’ny varotra Antananarivo, ahitana tranoheva marobe.

 Mifanindran-dalana ao ny foara ara-toekarena aty amin’ny ranomasimbe Indiana faha-11 izay natao hanamorana ny seha-piharian’ireo mpandraharaha, tohanan’ny vondrona Axian sy ny vondrona Ciel avy any Maurice. Nambaran’Atoa Ndriana Ralaimanisa talen’ny serasera eo anivon’ny banky BNI izay mpanohana ny hetsika  fa anisan’ny antony nanosika azy ireo handray anjara amin’ity foara ity ny fahafahana manampy sy mitady lalana ho an’ireo mpandraharaha Malagasy hahafahana mampivoatra ny toekarem-pirenena. Tafiditra ao ny fampindram-bola azy ireo izay misy fihenam-bidy hatrany amin’ny 25 %. Maro karazana ireo tolotra azon’izy ireo omena mandritra izany, mety ho an’ny sarangan’olona rehetra maniry ny hanangana orinasa madinika sy salantsalany. Tsiahivina moa fa marobe ireo mpandraharaha Malagasy mandray anjara amin’ity Foara Voatra ity ka anisan’ny tanjona iombonan’ny rehetra ny mba hahafahana mahita mpiara-miombon’antoka sy lalam-barotra any ivelany entina hanatsarana ny fidiram-bolan’izy ireo.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT