Toekarena

Foara ara-toekarena sy ara-barotra Hanomezana sehatra ivelaran’ ireo mpandraharaha


  • Alakamisy 11 Novambra 2021

Hotanterahina ny 25 ka hatramin’ny 28 Novambra ho avy izao manerana ny Nosy ilay foara ara-toekarena sy ara-barotra andiany voalohany karakarain’ny Madavision manerana ny faritra 23.

 Ho antsika eto amin’ny Faritra Analamanga manokana dia fantatra fa mahatratra hatrany amin’ny 250 isa ireo mpandray anjara izay manana ny maha-izy azy avokoa. Hanao fihenam-bidy daholo ireo mpandraharaha handray amin’izany raha araka ny fanazavan-dRamanantsoa Harilala, izay mpikarakara entina hanomezahana fahafaham-po ny mpanjifa. Etsy amin’ny kianjan’i Barea Mahamasina no hanatontosana izany. Tsiahivina moa fa natao indrindra hanomezan-danja ireo mpandraharaha Malagasy rehetra ny hetsika. Manomboka amin’ireo madinika indrindra izany ka hatramin’ireo vaventy. Toraka izany koa ny any amin’ireo faritra indrindra fa ireo tsy misy mpahita any ambany ravinkazo. Tanjona ny hahafahan’izy ireny mifampizara traikefa amin’ireo namany hahafahany misondrotra sy mahita lalambarotra. Hisy mandritra izany ny fampahafantarana ny sarababem-bahoaka ireo andrim-panjakana misy eto amintsika sy ny asa sahaniny.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT