Toekarena

FMI Malagasy « Mila mamorona sekoly an’arivony isika. »


  • Zoma 16 Martsa 2018

Tsy mbola miova ny vahaolana atolotry ny FMI Malagasy na ny fahefa-mividy izao no ilain’ny malagasy, tarihin’ny filohany Jean Jacques Ratsietison, mikasika ny hahafahana manavotra an’i Madagasikara dia ny hoe foanana ny MID na ny « marché interbancaire de devise »,

 miverina amin’ny taha-bola tsy miovaova isika ary akarina 100% ny sandam-bola malagasy. Hahafahana mandavorary izany, hoy izy satria ambany dia ambany ny fahafahan’ny Malagasy mandranto fianarana dia mila mamorona sekoly an’arivony, kolejy an’arivony, lisea an’arivony ary oniversite an’arivony ihany koa isika fa tsy hofoanana daholo ity karazam-panadinana nisy hatrizay ity. 24 tapitrisa no isantsika izao. 6 tapitrisa no isan’ny mpianatra, raha ny nambaran’ny minisitra tompon’andraikitra. 4,200 tapitrisa eny amin’ny ambaratonga fototra, 1,20 tapitrisa eny amin’ny kolejy ary ny tonga eny amin’ny oniversite dia zara raha 20.000 isa sisa. Tsy noresahana aza ireo 6 tapitrisa tsy afa-mianatra. Na inona orinasa mitsangana eto ka tsy mahavidy vary ny Malagasy dia tsy misy dikany. Na ny rononomandry (yaourt) aza izao lasa vokatra lafo vidy (produit de luxe). Raha mahavokatra ronono mandry 40 boaty isan’andro fotsiny anefa isika dia mety efa hahatafiditra 1,200 miliara ariary isam-bolana. Asa miforona ho azy izany. Hanolotra kandida ho filoham-pirenena moa ny FMI malagasy, hoy hatrany ity filoha ity, satria leo mpanao politika.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT