Toekarena

FMI Malagasy “Fampiakarana 200% ny sandam-bola ihany…”


  • Talata 16 Aogositra 2022

Omenay ny fitondrana ny vahaolana manoloana ny olam-pirenena ankehitriny, hoy ny antoko politika Fahefa-mividy izao no ilain’ny Malagasy na FMI Malagasy.

Tsy mila seza izahay, hoy ny filohan’izy ireo, Jean Jacques Ratsietison. Ataony io dia tsy manao politika intsony izahay. Mila tanana izy dia ampianay. Satria mbola tsy mihetsika izy aloha izao dia manangon-tsonia izahay. Ny fanangonan-tsonia dia fangatahana fampidinana vidim-piainana ho an’ny ampahefany. Ampiharo io dia foano ny MID. Ampiakarina 200% ny sandam-bola. Dia mahazo aina ny malagasy. Izay fotsiny no hangatahanay. Misy olona tsy mpanao politika ary tsy tia politika hatramin’izay fa resy lahatra amin’izany dia nametrahanay ilay taratasy io ka izay olona maniry hanao sonia dia afaka manatona azy ireo etsy ampitan’ny Galana Ambodivona manao sonia dia afaka maka taratasy mampanao sonia any amin’izay misy azy. Miantso ny mpanohitra izahay hoe andao hanaovana fikaonandoham-pirenena ity dia atolotra ny filoham-pirenena dia ho hita eo. Satria mba efa azo antoka fa hisy fehin-kevitra tena hivoaka amin’izay fa raha ny ankoatran’izay dia tsy hisy na inona na inona hivoaka ao na hikaon-doha amin’ny rindrina eo aza satria efa samy nitondra daholo ireo mpanohitra ireo, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT