Toekarena

FMI - Madagasikara Hiroso amin`ny fandaharanasa vaovao ato ho ato


  • Alarobia 21 Oktobra 2020

Miha-mafy ny fiaraha-miasa eo amin` i Madagasikara sy ny tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI).

 

 

Hiroso amin`ny fandaharan`asa vaovao ny roa tonta ato ho ato, hoy Richard Randriamandranto, minisitry ny toekarena sy ny vola. Nisy ny resaka nifanaovana ny talata teo tamin`ny tale jeneraly lefitry ny FMI, Rtoa Antoinette Sanye, izay nentina nanazava ireo ireo tetikasa samihafa amin`ny lafiny ara-toekarena. Ho dinihana eo anivon`ny filankevitry ny ministra ny fomba hahafahana miroso amin` izay fandaharanasa vaovao izay. Rehefa azo izay programa izay dia hanampy antsika ireo mpiara-miombon`antoka mahazatra hahafahana mahazo toky ny amin`izay fandaniana volam-panjakana sy amin`ny fampidirana vola ao amin`ny kitapom-bolam-panjakana amin`ny lafiny hetra…, hoy ihany izy. Araka izany, andrasana ny fahalanian` izany tetikasa izany eo anivon`ny filankevim-pitantanan` ny FMI amin`ny taona ho avy, izay hanome famatsiam-bola entina hiatrika ny telo taoana manaraka. . Marihana fa amin` ny volana desambra sy janoary izao no handinihana ny momba an`i Madagasikara.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT