Toekarena

Fizarana PPN Tsy asana filoham-pirenena, hoy i Beriziky


  • Alarobia 31 Mey 2017

Naneho ny heviny mikasika ny fahitany ny fihetsiky ny filoham-pirenena izay mizara vatsin-tsakafo ilaina amin’ny fiainana

 

 andavanandro toy ny menaka sy savony ary vary izay anisan’ny hita tetsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina farany teo ny praiminisitra teo aloha, Jean Omer Beriziky, omaly raha nanotrona ny fihaonan’ireo hery politika tetsy Andravoahangy. Tsy nisalasala ny tenany nilaza fa tsy asana filoham-pirenena fa asana fikambanana ny asa sosialy tahaka ireny. Maro, hoy izy, ny zavatra hafa tokony ho mbola laharam-pahamehan’ny mpitondra eto amin’ity firenena ity, raha tsy hiteny afa-tsy ny famahana ny tsy fandriampahalemana miseho eto sy ny fametrahana ny fihavanana fotsiny. Efa nisy ny lalàna vita nataon’ireo za-draharaha (expert) mikasika ny fampihavanam-pirenena izao, hoy izy, kanefa dia maninona no avadibadika tahaka izao endriny ankehitriny izao indray ? Mino aho fa tsy izaho irery no manahy ny amin’ny tsy ahombiazan’io CFM vaovao io, hoy izy.


Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT