Toekarena

Fizakan-tena ara-bola Hitondra fampandrosoana ara-toekarena


  • Alarobia 24 Oktobra 2018

Anisan’ny singa iray hahatongavana amin’ny fampandrosoana ara-toekarena ny fizakan-tena ara-bolan’ny firenena iray.

 

 

Raha ny eto Madagasikara dia mbola lavitry ny afo ny kitay ary tena mbola ezaka be ny ahatrarana ny fahaleovantena ara-bola izany. Nanambara ny mpahay toekarena fa tsy maintsy miainga amin’ny fangaraharana amin’ny fitantanana ara-bola izany ary tsy maintsy ilaina ny tamberin’andraikitra ny tompon’andraikitra amin’ny fitantanambolam-panjakana sy ny fikirakirana ny vola rehetra mihodina eto. Ankoatr’izay dia tokony hazava hatrany ny tatitry ny fampidiram-bola rehetra an’ny fanjakana sy ny fitantanana izay mety ho trosan’ny firenena na ny anatiny na ny any ivelany. Nilaza ihany koa ny teo anivon’ny faribolan’ny mpahay sy ny mpandinika ny toekarena eto Madagasikara (CREM) fa tokony hofantarina marina ny tomban’ny harena anatin’ny firenena Malagasy, indrindra ireo harena anatiny tahaka ny andramena, ny solitany, ny volamena izay mampiavaka an’i Madagasikara. Omena ny vidiny sahaza izany ireo ary hiarahana miasa amin’ny Banky Iraisam-pirenena  sy ireo mpiara-miombon’antoka ny fanatanterahana azy. Rehefa izay dia hanangana banky Malagasy na hanorina sehatra hafa tena hampidi-bola hiteraka fizakan-tena  izay tena lehibe hanavotra amin’ny fandraharahana sy fampihodinana vola i Madagasikara.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT