Toekarena

Fizahantany Tsy ara-dalàna ny 50%-n'ireo mpandraharaha ao Tolagnaro


  • Talata 05 Septambra 2017

Atrikasa tsotra kanefa nahafantarana zavatra maro no natao ny zoma 1 septambra teo tao Tolagnaro, nanasana ireo mpandraharaha ara-pizahantany sy izay misehatra amin’io asa io.

 

 Tompomarika  ny sampandraharam-paritra sy ny ofisim-paritry ny fizahantany Anosy. Nivoitra tamin’ny atrikasa fa vitsy ireo mpandraharaha ara-pizahantany mandoa “vignette touristique”, maro ihany koa ireo tsy manoratra na tsy manao fanambarana any amin'ny sampandraharaha misahana ity sehatra iray ity. Nambaran’ny talem-paritry ny fizahantany, Rtoa Salohy Dewa ihany koa fa ny 50%-n'ireo mpandraharaha ihany no ara-dalana any Anosy, ka nanentanany sy nampahatsiahivana ireo dingana tsy maintsy harahina raha te handraharaha eo amin'ny sehatry ny fizahantany. Nandray anjara tamin’ity atrikasa ity ireo mpitari-dalana, mpitandro ny filaminana, ny solontenam-panjakana ao an-toerana.

OTH


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT