Toekarena

Fizahantany sy ny nomerika Miara-miombon’antoka amin’ny ITM 2023 ny Orange


  • Talata 18 Aprily 2023

Mitondra anjara biriky amin’ny fampiroboroboana ny sehatry ny fizahantany amin’ny alalan’ny fitondrana tohana ho an’ny ITM na

Tourism Fair of Madagascar 2023 ny orinasa Orange Madagascar, izay fantatra eo amin’ny sehatry ny fifandraisan-davitra. Hotanterahina ny 15-18 jona 2023 izao eny amin’ny CCI Ivato ity ITM 2023 ity, ka isan’ny mpiara-mimbon’antoka izy. Lohahevitra amin’ity andiany ity ny hoe : « La durabilité et la digitalisation dans le tourisme ». Hanomezan-danja ny fizahantany maharitra sy tompon’andraikitra ihany koa io. Anisan’ireo ezaka entin’ny ONTM ampian’ny Minisiteran’ny fizahantany ary ireo mpiara-miombon’antoka hisintonana ny mpizahatany iraisam-pirenena ho avy eto Madagasikara io. Hisy ny fametrahana ny “"Digital Space&quot” sehatra ahafahan’ny mpandraharaha amin’ny fizahantany misitraka ny tontolon’ny nomerika. Amin’ny maha mpiara-miombon’antoka amin’ny fanatanterahana io hetsika lehibe ara-pizahantany io ny Orange, dia notontosaina omaly 17 aprily ny fiaraha-miasa teo amin’ny Filohan’ny filankevi-pitantanana ny Ofisim-pirenena momba ny fizahantany (ONTM) Jonah Ramampionona sy ny Tale ara-barotry ny Orange Madagascar Carine Lefriec, izay notronin’ny Minisitry ny fizahantany Joël Randriamandranto. Afaka hisitraka hisitraka pitsopitsony maro mikasika “digital” ampiharina amin’ny fizahantany ny mpitsidika. Tafiditra anaty fandaharam-potoana ihany koa adihevitra misokatra am-polony mikasika ny “digital” sy lohahevitra avo lenta mandritra izay 4 andro hanaovana fampiratiana izay.
Nangonin’i Toky.R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT