Toekarena

Fizahantany Ny Alemana no mandany vola indrindra


  • Alakamisy 07 Martsa 2019

Mandray anjara amin`ilay hetsika iraisam-pirenena momba ny fizahantany (ITB) ao Berlin ny mpandraharaha malagasy sy ny ofisim-pirenena misahana ny fizahantany (ONTM).

 

 

 Hetsika nanomboka omaly alarobia 6martsa izy io ary haharitra dimy andro. Tombony lehibe ny fahafahana maneho an`i Madagasikara sy ny hakantony amin`ny sehatra iraisam-pirenena goavana toy itony saingy mbola ampahany kely ho an`ireo teratany alemana tonga aty amintsika. Ny 1% amin`ireo vahiny ireo no ho tonga eto Madagasikara. Niisa 2 570 izy ireo tamin`ny taon-dasa. Voalaza fa ny alemana no sahy mandany vola be indrindra amin`ny sehatry ny fizahantany, araka ny nambaran`ny sampandraharaha mpanao fanadihadiana iray any ivelany. Tafakatra hatramin`ny 155,8 tapitrisa ny fivahinianana nataon`ny teratany alemana. 80 tapitrisa izany tamin`ny 2018 ary nandaniana 91 miliara euros ny fitsangantsanganana na dia fandraharahana (voyages d`affaire) aza no natao. Tranoheva mirefy 50m2 ny anjaran`ny delegasionina malagasy entina hanehoana ny maha izy azy ny nosy manoloana ireo firenena 190 mandray anjara amin izany.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT