Toekarena

Fizahantany Miantso fandraisan’andraikitry ny fanjakana ny CTM


  • Talata 08 Desambra 2020

Miantraika mafy amin` ny toekarena ny fihanaky ny valanaretina Covid 19,

 

 

araka ny tatitra nataon` ny minisiteran` ny toekarena sy ny tetibola miaraka amin` ny Banky iraisam-pirenena sy ny misahana ny antontanisa (INSTAT) ny volana jolay lasa teo. Efatra ny lalam-pihariana tena voa mafy ka isan` izany ny fizahantany sy ny trano fisakafoana (61%). Raha ny tatitra avy amin` ny Fikambanana iraisam-pirenena momba ny fizahantany (OMT) dia matiantoka 320 miliara dolara ny fizahantany eran-tany, ny volana janoary hatramin` ny volana mey 2020 noho ity valanaretina ity. Manoloana izany dia manao antso avo ny « Confédération du Tourisme de Madagascar » (CTM). Teboka maromaro no nangatahan’ireo mpisehatra amin’ny tontolon’ny fizahantany, omaly nandritra ny tafa nataon’izy ireo tamin’ny mpanao gazety. Fangatahana izay niraisan’ireo mpisehatra mivondrona ao amin’ny CTM ary miantefa mivantana amin’ny fanjakana manoloana ny zava-misy iainan’izy ireo noho ny mbola tsy fahafahan’izy ireo miasa. Anisan’ny notakian’izy ireo ny fanokafana ny fifandraisana amin’ny any ivelany amin’izay mba ahafahan’ireo mpisehatra manarina ny takaitra navelan’ny krizy nandritra ny 8 volana. Ny mba andraisan’ny fanjakana na ireo mpanohana ara-teknika sy ara-bola an-tanana ny faktioran’ny JIRAMA nandritra ny telo volana voalohany sy faharoa 2020. Ny fandraisan’ny fanjakana an-tanana ny CNaPS nandritra ny 3 volana farany 2020. Fanafoanana na fanemorana amin’ny taona 2021 ny fandoavana ireo haba tamin’ity taona ity. Fanitarana ny fotoan’ny « chômage technique » miampy fandraisana an-tanan’ny fanjakana sy mpanohana ara-teknika sy ara-bola. Tsy mbola hita mangirana ny masoandron` ny fizahantany satria mety hiverina hahazo vahana ny aretina ka mahatonga ireo firenena maro efa mandray fepetra manidy ny sisin-taniny.

 

 Legende: Tetsy amin` ny Hotely Tsanga Tsanga omaly

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT