Toekarena

Fizahantany Mangataka ny hanokafana ny any Isalo ny mpandraharaha


  • Alarobia 12 Aogositra 2020

Toerana manana ny lazany amin’ny fizahantany eto Madagasikara i Isalo, ao amin’ny Kaominina Ranohira, Faritra Ihorombe. Toerana faharoa mahasarika mpizahatany betsaka aorian’i Nosy-Be izy.

 

 

Voadona mafy tao anatin’izao fahamehana ara-pahasalamana noho ny valanaretina coronavirus izao ny fizahantany ao Isalo. Mahatsiaro tena adino tanteraka ity faritra ity ireo mpisehatra ara-pizahantany ao an-toerana. Tsy mba misitraka fanampiana, tsy misy resaka ny amin’ny hamerenana ny fizahantany ao an-toerana, nefa io no isany iankinan’ny fiveloman’ny mponina ao an-toerana. Mangataka ireo mpandraharaha ao Ranohira Isalo ny amin’ny tokony hanokafana ny fizahantany tahaka ao Nosy-Be, manomboka ny volana oktobra. Manamafy ny fangatahan’ny mpandraharaha ara-pizahantany any Isalo io, ny solombavam-bahoaka voafidy tao Ihosy, Rakotomamonjy Nepatraiky André.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT