Toekarena

Fizahantany eto Madagasikara Tsy mahavelon-tena ireo valan-javaboary


  • Alatsinainy 02 Septambra 2019

Tsy mahaleotena ara-bola mihitsy ireo valan-javaboary eto Madagasikara kanefa mila vola ny fiarovana sy ny fikojakojana azy ireo.

 

 

 

Vahaolana maharitra ny andraisana fotodrafitrasa

handraisam-bahiny raha ny tetikady sy drafi-politika vaovao napetraky ny Madagascar National Park (MNP) mba hampidiram-bola sy ho fiarovana ary ny hikojakojana ireo valan-javaboary misy. Entanina, araka izany, ny fampiasam-bola avy amin’ny tsy miankina

hananganana sy hiarovana ireo fotodrafitrasa handraisam-bahiny amin’izy ireny mba ho fidiram-bola. Tsiahivina fa ny taona 2017 no nahazo famatsiam-bola farany avy amin’ny Banky Afrikanina ho amin’ny Fampandrosoana (BAD) ny valan-javaboary teto Madagasikara ho fiarovana ny amin’ny fiovaovan’ny toetrandro. Ho

fanatanterahana io drafi-politika vaovao io dia efa nisy ny fanadihadiana manokana nataon’ny foibe iraisam-pirenena ho fiarovana ny natiora nanomboka ny volana mey lasa teo ka hifarana

ny taona 2020. Hisy, araka izany, ny fampahafantarana ny ampahan’ny fanadihadiana hatolotra ireo mpandraharaha amin’ny fizahantany ny 18 septambra ho avy izao, hatao eto Antananarivo ka valan-javaboary miisa 6 no voakasik’izany.

 

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT