Toekarena

Fizahantany eto Madagasikara “Ho vonoina mihitsy ve?”


  • Alakamisy 03 Novambra 2022

Ny 62%n’ny tana na “caméléon” eto amintsika dia tsy misy afa-tsy eto, hoy ny manam-pahaizana momba ny fizahantany, Durlin Retogniane.

Rehefa tsy haintsika ny mivarotra an’ireny, hoy izy, dia izay no mahatonga io fanondranana mihoam-pampana io. Toy izany koa ny resaka vorona. Tsy fahita afa-tsy eto ny 52%n’ny vorona eto. Firy ny mpizahantany mijery vorona eto Madagasikara? Io moa no namoahako vokam-pikarohana manokana teny amin’ny anjerimanontolo. Ny 3 volana farany, oktobra, novambra, desambra no tsara hijerena izany eto Madagasikara. Vorona no tena jeren’ireo mpizaha zavaboary eto. Misy miteny hoe misy ny “basse saison” na fotoana maha vitsy ireo mpizahantany dia misy ny “haute saison” izay maha maro azy. Maninona isika rehefa ao anatin’ilay “basse saison” tsy mampisongadina ilay vorona mampisongadina antsika mba hisorohana izay “basse saison” izay? Ny febroary sy martsa izao tsy tokony izany “haute” sy “basse saison” izany satria ireny no mampihetsika na “actif” ireo biby misy kirany na “reptile” toy ny tana, ny voay, ny lezara. Mba firy amintsika no mampahafantatra sy manasongadina izany rehefa tonga ny fihaonambe na “salon” any ivelany? Tsy misy fa dia ohatran’ny mitsangatsangana mihitsy no alehan’ilay olona hanao “salon”. Hanao vakansy! Izany no tena tokony ho asan’ireo masoivoho. Tsy ara-toekarena ihany fa ara-tontolo iainana koa. Inona no mampiavaka antsika? Azo atononon’ireo tekinisianina eto koa ny masoivohon’ireo firenen-kafa eto an-toerana. Ampahafantarina izay misy eto izy dia anjarany koa avy eo ny mampahafantatra an’izany amin’ny olompireneny. Tsy misy politika mazava hitondrana ity fizahantany ity mihitsy. I Maorisy izao voatr’olombelona na “plage artificiel” ny torapasika ao aminy. Manana “Dauphin” izy fa ny ankoatran’izay dia zavatra nafarana daholo. Maninona no vitany ny mampandroso ny fizahantaniny? 1.300.000 no isan’ny mpizahantany tonga any Maorisy isan-taona ary io no tena mampiodina ny toekaren’ny Maorisianina. Ny antsika ¼ an’izay, 350.000. Tsy mba menatra ve isika? 10 martsa 2019 ny filoham-pirenena malagasy no tonga tany Maorisy. Fivoahana voalohany taorian’ny fametrahana azy tamin’ny fomba ofisialy. Nanoloana ny praiminisitra maorisianina izy no niteny hoe mpizahantany miisa 500.000 no tratrarina ao Madagasikara mialohan’ny 2023. Aiza isika izao? Hifarana ny fotoam-piasany. Sa hitadiavana fialana indray hoe COVID dia Okrainina sy ny karazany? Miala tsiny tompoko! Tsy laharam-pahamehana ny fananganana hotely kintana 5 fa manana harena voajanahary na “biodiversité” kintana 7 na 10 mihitsy aza isika. Rehefa tsy misongadina ireo dia tsy ho feno izany hotely kintana 5 izany, hoy hatrany ny tenany, ary ireo misehatra amin’ny hotely eto aza efa mijaly sa ho vonoina mihitsy ve ilay fizahantany ?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT