Delegasionina mafonja avy amin’ny ofisim-pirenena momba ny fizahantany sinoa no noraisin’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha omaly.
Nitarika ny delegasionina ny Filoha Lefitra sinoa miandraikitra ny fizahantany DU sy ny Masoivohony eto Madagasikara. Niara-dalana tamin’izy ireo kosa ny avy amin’ny fitantanana nasionaly ny tontolon’ny fizahantany sinoa, ireo solontenan’ny mpandraharaha ara-pizahantany, ny solontenan’ny kaompaniam-pitaterana ana habakabaka, izay samy hita teny Iavoloha avokoa nanatanteraka fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny sehatry ny fizahantany, izay efa noresahina nandritra ny fihaonan’ny filoha Malagasy sy filoha sinoa tany Chine. Tonga eto izahay mba handray anjara amin’ny foaran’ny fizahantany eto Madagasikara ary hiresaka momba ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy Sina, ary hijery ny fomba hanatanterahana ny fifanarahana, hoy i DU. Anisan’ny fifanaraham-piaraha-miasa natao ny hisian’ny sidina ana habakabaka mivantana mampifandray an’i Canton (Chine) sy Madagasikara. Nisy ihany koa ny fihaonana teo amin’ny minisitry ny fizahantany Malagasy sy sy ireo matihanina amin’ny sehatry ny fizahantany avy any Sina omaly mba hampahafantarana ireo harena ara-pizahantany eto Madagasikara sy hampiroboroboana ny fifanakalozan-kevitra. Marihina fa ny sinoa no vahiny hampahafantarina manokana mandritra ny ITM andiany faha-6 tanterahina eny amin’ny Tanàna Voara Andohatapenaka.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.