Fizahantany eto Madagasikara

205 956 ny vahiny nitsidika tao anatin’ny 11 volana


  • Alakamisy 07 Desambra 2023

205 956 ny mpizahatany vahiny tonga teto Magasikara tao anatin’ny 11 volan’ity taona 2023 ity,

raha ny tatitry ny Minisiteran’ny fizahantany. Na voasokajy ho taona fiverenan’ny fizahantany amin’ny laoniny sy mba efa miha manakaiky ny tamin’ny 2019 talohan’ny coronavirus aza, dia mbola betsaka ny ezaka mila hatao hanatsarana ny antontan’isa, toy ny lafiny fifandraisana an’habakabaka sy ny tambajotra ifamezivezena ato anatiny toy ny làlana, mba hisintonana ny mpizahatany. Hatreto, ny taona 2008 no maro mpizahatany indrindra tonga teto Madagasikara. Nahatratra 375 010 ny isan’ny mpizahatany vahiny tonga nitsidika an’i Madagasikara tamin’io taona io, ary mbola mijanona ho zava-bita tsara indrindra tao anatin’ny 15 taona. Tsara ny mampahatsiahy, fa 500 000 no tanjona ho an’ity 2023 ity, saingy mbola lavitry ny kitay aloha ny afo hatreto.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT