“Tsy mbola nisy nampiato vonjimaika na nampihemotra ny fivahianiana kasainy hatao eto amintsika ireo mpizahantany mikasa hankao Nosy Be indrindra ireo tera-tany eoropeanina mikasa hanao fizahantany eo anelanelan’ny volana oktobra sy desambra izao,
ka ny ankamaroan’izy ireo dia tera-tany Italianina avokoa” hoy Joel Randriamandranto, ministry ny Fitaterana sy ny Fizahantany ary ny famantarana ny Toetrandro omaly. Noho izany indrindra dia efa ao anaty fanomanana amin’ny fiverenana indray amin’ny fanokafana ny sehatry ny fizahantany izay hatomboka ao Nosy Be isika. Tsy maintsy apetraka ilay “protocole sanitaire“ hahafahana misokatra ao anaty fanajana tanteraka ireo fepetra hoy ny Minisitra omaly. Hiara-hiasa ny ministera maro izy ireo, hanatanterahina izany, ka anisan’ireny ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka. Fivoriana miisa 3 izao no efa vita hoy ny Minisitra entina manomana ny fanatanterahina io “protocole” io. Ho an’ireo mpandraharaha ara-pizahantany dia tsy maintsy hisy fiofanana manokana mikasika ireo fepetra aloha ary aorian’izay dia hampanaovina fanekena arahina sonia hanajana sy hampiharana izany any amin’ireo toerana hiasany avy. Hametrahana lamina ihany koa ny fizahantany: atsahatra ireo karazana fitsangatsangana tsy hahafahana manaja ny fepetra ara-pahasalamana. Ho an’ireo mpizaha tany tonga eto amintsika kosa dia tsy maintsy manana tapakila miverina izy ireo, eo am-pahatongavana. Tsy maintsy hozahana ara-pahasalamana koa. Fantatra koa fa hanomana toerana hahafahana mandray ireo mpizahatany izay sendra marary na mitondra tsimokaretina ihany koa ny ao Nosy Be. Efa miasa ao anatin’izany ny Ministera amin’izao fotoana izao, hoy ny Minisitra ka amin’ny zoma izao, no heverina hanaovana ny fivoriana faha-4. Mbola manana eo amin’ny iray volana sy tapany eo izy ireo, hanomanana izany.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.