Toekarena

Fizahantany Afaka mampiditra vola be ho an’i Madagasikara


  • Alarobia 14 Febroary 2018

Anisan`ny firenena fantatry ny mpizahatany i Madagasikara kanefa mbola vitsy no resy lahatra mankaty amintsika, indrindra tamin’ireny fisian’ny valanaretina pesta teto Madagasikara ireny. Maro be anefa ny vokatra ateraky ny fizahantany ary azo tsapain-tanana izany, indrindra ny amin’ny lafiny toekarena.

 

 Ireo firenena mitovitovy laharana tamintsika izao dia nilofo tamin’io lafiny io ary nahita fandrosoana tamin’ny ezaka nataony raha tsy hiteny afa tsy ireo nosy rahavavy tahaka an’i Comores, la Réunion, Seychelles, Maldives ary Maurice izay nampiroborobo ny sehatra fizahantany ka nanjary nandroso. Raha ampitahaina amin’i Madagasikara, izay mampiditra mpizahatany eo amin’ny 293500 isan-taona eo, ohatra, ny nosy Maorisy dia mahavita mampiditra mpizahatany 1 250 000 isan-taona. Nampiditra 700 000 dolara na 2 226 000 000 Ariary (1dolara =3180 Ar) ireo mpizahatany nandalo teto amintsika ny taona 2016 ka raha tratra ny tanjona apetraky ny minisiteran’ny fizahantany  izay hiezaka hampiditra 1 000 000 mpizahatany eto amin’ny taona 2020 dia hipaka amin’ny toekarena mihitsy izany satria betsaka ny vola miditra. Azo tanterahina tsara  izany vina izany satria maro ny toerana azo tsidihana eto Madagasikara toy ireo valanjavaboary ao Ranomafana, Masoala, Andasibe. Tsy vitsy ihany koa ireo rova nitoeran’ny Mpanjaka, ny torapasika sy ireo hazo sy biby izay tsy hita afa tsy eto amintsika. Azo trandrahana tsara, araka izany, ny sehatra fizahantany eto Madagasikara saingy mila asa be toy ny fanamboarana fotodrafitrasa, ny hotely sy ny lalana ary mila azo antoka ny fandriampahalemana.


Tsiry 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT