Toekarena

Fizahan-tany Mikatso tanteraka


  • Alarobia 03 Jona 2020

Mamerina ny antso efa nataony hatramin` izay ireo mpisehatra amin` ny fizahan-tany manoloana ny olana goavana sedrain` izy ireo vantany vao nanomboka ny krizy ara-pahasalamana.

 

 Tsy nandray karama intsony ny ankamaroan` ny mpiasa satria tsy afaka mandoa izany intsony ireo orinasa. Etsy ankilany, ireo “prestataires”dia efa telo volana lasa no tsy nandray izay mety ho karamany. Manamafy ireo voalaza ireo ny nambaran` ny solontenan` ny Ofisim-paritra momba ny fizahan-tany Antananarivo (Ortana) nandritra ny valandresaka niarahana taminn`ny filoha Rajoelina ny alahady alina lasa teo. “Zara raha mahavita mameno ny 10%n` ny zakany ireo hotely. 5% monja amin` ny vola mampiodina azy no miditra ho an` Antananarivo rahatoa ka 4% ho an`ny faritra. Ireo “guides touristiques” dia voatery miditra “chomage technique”.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT