Toekarena

Fizahan-tany eto Madagasikara Mbola mila ezaka goavana


  • Alarobia 28 Martsa 2018

Mbola vitsy ny mpizahatany resy lahatra mankaty Madagasikara. Misy mantsy ny laza ratsy ka mahatonga ny fizahantany tsy mivoatra mihitsy. Anisan`ny firenena miaina anaty loto i Madagasikara.

 

Hita taratra izany na eto an-drenivohitra na any amin’ny faritany. Maloto ny ranomasina sy ny torapasika kanefa ireny indrindra no anisan’ny manintona ny vahiny mpizahatany. Maro no nihemotra tsy hankaty Madagasikara tamin’ireny fisian’ny valanaretina pesta izay vokatry ny loto ireny. Eo ihany koa ny olana ara-teknika izay mateti-pahazo ireo fiaramanidina ary manome sary ratsy ny firenena. Ireny rano niakatra nanondraka teny amin’ny seranam-piaramanidina ireny moa dia efa kaonty miiba ho antsika. Manginy fotsiny ny halatra mahazo ny mpivahiny any amin’ny hotely samihafa any. Tsy lazaina intsony ny tsy fandriampahalemana sy ny fakana an-keriny misy eto Madagasikara. Maro be anefa ny vokatra ateraky ny fizahantany ary azo tsapain-tanana izany, indrindra ny amin’ny lafiny toekarena. Nampiditra 702 000 dolara na 2 248 906 140 Ariary (1dolara=3203,57Ar) ireo mpizahatany miisa 293 185 nandalo teto Madagasikara ny taona 2016. Raha mampiditra mpizahatany miisa 500 000 fotsiny isika dia mety hampiditra vola hatrany amin’ny 4 000 000 000 Ariary eo ho eo. Mila ezaka anefa izany ary tokony hijery hatrany sy manao fitaratra ireo firenena matanjaka amin’ny fizahantany. Any Maorisy, ohatra, dia mitombo hatrany ny mpizahatany. Niakatra ho 1 186 245 ny isan’ny mpizahatany tamin’ny taona 2017 raha 1 127 093 ny taona 2016, mpizahatany miisa 1 341 860 indray no tanjony amin’ity taona 2018 ity. Maro ny toerana misintona mpizahatany tokony hohatsaraina eto Madagasikara. Mampidi-bola be io sehatra io saingy noho ny tsy fandraisan’andraikitra misy eto  dia tsy mandroso sady tsy mitondra vokatra betsaka ho an’ny toekarena Malagasy.

Tsiry

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT