Toekarena

Fizahan-tany anatiny Sehatra azo trandrahana tsara


  • Alakamisy 11 Jona 2020

Anisan’ny sehatrasa mizaka ny tsy eran’ny aina ary potika tanteraka noho ny fipariahan’ny covid-19 maneran-tany ny tontolon’ny fizahantany. Maloka tanteraka, araka izany, ny hoavin’ny fizahantany hatreto noho ny “coronavirus”.

 

 

 

 

Misy fatiantoka 100% mihitsy. Ireo mpitaridia « guide touristiques » sy ireo toerana fandraisam-bahiny ihany koa etsy andaninyvery asa tsy fidiny. Ny fanjakana dia mikasa hampiroborobo ny fizahan-tany anatiny toa an’ ireo firenena any ivelany. Noho izany, mila miara maisa akaiky ny ministeran’ ny fizahan-tany sy ny kolontsaina. Maro tokoa ireo distrika eto Madagasikara no manana ny tantara sy manana zavatra mahaliana. Mila trandrahina izany ka izay no amidy amin’ ny mpiray tanindrazana mba hisy fifanakalozana bebe kokoa eto. Avy eo izany no amidy amin’ ny tsena iraisam-pirenena rehefa misokatra ny fifaneraserana sy fifamoivoizana iraisam-pirenena. Marihana fa aorian’ ny aretina vao tena hipoaka ny ady amin’ ny krizy ara-toekarena satria ny sehatra rehetra dia mbola tsy afaka andeha. Ilay fironana sy fitodiana amin’ izay tsena anatiny izay no heverina ho zava-dehibe. Dieny izao dia tokony omena tosika ny fizahan-tany anatiny.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT