Toekarena

Fizahan-tany anatiny “Miandry ny fanokafana ny fifamevezivezena”


  • Talata 16 Jona 2020

Efa miroso amin` ny fametrahana sahady ny fampiroboroboana ny sehatry ny fizahan-tany ny ministeran` ny fitatera sy ny fizahan-tany ankehitriny. Tsy maintsy tsinjovana dieny izao ity sehatra ity hahafahan` ireo mpisehatra miarina ao anatin` izao fahamehana ara-pahasalamana izao,

 

 

 

 

hoy Joel Andriamandranto, minisitry ny fizahan-tany. Araka ny nambarany hatrany efa mametraka paikady amin`ny fampiroboroboina ny fizahan-tany anatiny ny ministera mialohan`ny fisian` ny fanokafan` ny fivezivezena na an-tanety na ana habakabaka. Efa nisy ihany koa ny fanadihadiana momba ny fizahan-tany anatiny natao tamin` ny taona 2016 ka fampiharana no atao amin` izao. “60 hatramin` ny 70%n` ny mpizahan-tany anaty dia miala amin` ireo faritra tsy azo hivezivezena ireo. Efa fantatra koa ny toerana teny andehanan` ireo mpizahan-tany ireo eto Madagasikara.”Ankilany misy ny fihaoanana eo amin` ny mpandraharaha misehatra amin` ny fizahan-tany ny amin` ny hanamboarana fotodrafitrasa zakan` ny Malagasy rehetra izay maniry ny hanatanteraka fizahan-tany anatiny. Raha nambaran` ny minisitra dia lafo ny fidirana amin` ireny toerana misy ireny fotodrafitrasa ireny izay lasa sakana amin` ny fampiroboroboana ity sehatra ity.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT